LESONA 6 Q32025 NIAMPITA NY RANOMASINA MENA DR BENOIT RAKOTOVAO
NIAMPITA NY RANOMASINA MENA Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 12:31-36; Jak. 2:17-20; Eks. 13:1-14:31; Heb. 11:22; Eks. 15:1-21; Apok. 15:2-4. Tsianjery: "Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina." - Eks. 14:13,14 Ny fanafahana tany Egypta no fanandramana mahatalanjona sy be voninahitra indrindra niainan'ireo vahoakan'Andriamanitra tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha. Izany toe-javatra izany no ohatra nasehon'ny lanitra momba ny nandresen'i Jehovah ny fahavalon'ireo Hebreo sy ny nitondrany ny Isiraelita tamim-pandresena hiditra tao amin'ny Tany Nampanantenaina. Raha ny fijerin'olombelona, dia tao anatin'ny toe-javatra tsy misy fanantenana, ary tsy hahavitana na inona na inona mihitsy aza, izy ireo - olana izay tsy hainy novahana samirery. Ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra ihany no azo heverina fa hanafaka azy ireo amin'izany. Tahaka izany koa isika sy ny fahotana: raha ny maha-isika antsika sy ny herin'ny tenantsika ihany no jerena, dia ao anatin'ny toe-javatra tsy misy fanantenana isika. Mila zavatra miezinezina kokoa noho ny Eksodosy isika, ary ananantsika izany: ny hazo fijalian'i Kristy sy izay nataon'i Kristy teo ho antsika rehetra. Mahatalanjona sy toa tsy mampino ireo toe-javatra nanamarika ny fialan'ny Isiraely tao amin'ny tany Gosena, izay voalazan'ny Eks. 12, mandra-pahatonga eo amin'ny hiran'i Mosesy izay hiraina amim-pifaliana ao amin'ny Eks. 15. Teo amin'ny faratampony tokoa ny famantarana sy ny fahagagana ary ny asa fanavotana mahagaga nataon'Andriamanitra. Kanefa na ireo toe-javatra ireo aza dia tsy azo ampitahaina amin'izay nataon'i Kristy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana; tandindona tsotra naneho izany fotsiny ihany ny zava-mahatalanjona ao amin'ny Eksodosy.

LESONA FAHA 11 REHEFA MITSIMBADIKA NY TOE JAVATRA OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA

LESONA SS FAHA 13 Q2 2026 NY MANDRAKIZAY DR BENOIT RAKOTOVAO

LESONA 10 Q2 2026 FIBEBAHANA SY FAMELAN KELOKA DR JEAN JACQUES A

🎼🎧🙏MEDLEY HIRA FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 1) (PEPE SHINE-RIJA RASOLONDR-JDAF)

DORE UMUMARO WO KUMVIRA IMANA/ Emmanuel MINANI

❌NAMPIAKA-PEO i Pr EDOUARD MANOLOANA IREO RESA-BE SY KORONTANA ETO @FIRENENA🚫❗

TeaTime: Steve Andriamasy (Epistolier) "Ny fibebahana tena marina"

ساعة من السكينة مع القرآن❤️😌 | تلاوة هادئة للنوم والاسترخاء🕊️🎧 | Deep Tranquility

LESONA 9 Q2 2026 - NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA

Buying Goats From Farmers | 3-Wheeled Truck Packed Full for Village Market

LESONA 3 AVONAVONA NA FANETREN TENA DR BENOIT RAKOTOVAO MP4 OK

Inona no ao ambadiky ny Fahafatesana - Emilien RAZAFIARISON

TEA TIME : Ilo Rabarison " Fianarana : ny fahombiazana miaraka amin'i Jesosy

🎼🎧🙏MEDLEY Hira FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 5) SPECIAL COVER

God Says:"MY CHILD, I NEED TO SEE YOU URGENTLY!"/God Message Now/God Message

Lesona 8 Q2 2026 MANANA FINOANA DR BENOIT RAKOTOVAO

Marka 16: 15 - Tsy maintsy hainao ireto tantara ireto vao hainao ny mamaky ny Testamenta Taloha

Fanompoam-pivavahana - Hopefy Radio sABATA 13 jUIN 2026 ASA 5:17-29 Past Ernest A.

Laurent Rakotomamonjy et le groupe Ny Mino

