LESONA SS FAHA 13 Q2 2026 NY MANDRAKIZAY DR BENOIT RAKOTOVAO

NY MANDRAKIZAY - FAMPIDIRANA Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 80; 1 Tes. 4:17; Apôk. 21:9-27; Isa. 25:8; Apôk. 7:17; Apôk. 21:4; Jao. 6:44. Tsianjery : « Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. » – 1 Jao. 3:2 inona no miandry anao amin'ny hoavy? Inona no ho avy eo aloha eo? Mety ho toa mampatahotra, mampientanentana, mampivarahontsana, ary mahafinaritra indray miara-mandeha izany. Fantaro fa mahatoky i Jesosy ary marina ny teniny (Apok. 3:14). Mbola hisy fotoan-tsarotra feno korontana miandry antsika any aloha (Mat. 24:21, 22), saingy nampanantena Izy fa tsy handao na hahafoy anao mihitsy (Heb. 13:5). Hataony tsara ny zavatra rehetra nolazainy fa hataony — eny, efa nanao izany Izy hatrizay ary mbola hanao izany foana (Heb. 10:23). Ary “izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena” (Mat. 24:13). Na firy na firy ny isan'ny andro sisa hiainantsika eto an-tany, dia tokony hanodina ny masontsika hifantoka amin'i Jesosy isika, ka hijery Azy lalandava amin'ny fahatokiana. Tsy mora foana izany ao anatin'ity tontolo mitady ny saintsika rehetra ity, saingy enga anie isika, tahaka an'i Davida, hanao hoe: “Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no hamoaka ny tongotro avy amin'ny fandrika” (Sal. 25:15). Amin'ity herinandro ity, andao isika hianatra momba ny valisoan'ny lanitra (Mat. 5:12, Apok. 22:12); hanao ahoana marina ny any an-danitra; ary indrindra indrindra, ny fahasambarana tsy hita pesenina amin'ny fiarahana farany amin'ilay Nahary antsika, Ilay tia antsika hatramin'ny fahafatesana, nanavotra antsika tamin'ny fahotantsika, ary ho avy tsy ho ela. Ny antsika dia ny hihazona mafy amin'ny finoana fotsiny mandra-pahatongan'izany.