LESONA 10 Q2 2026 FIBEBAHANA SY FAMELAN KELOKA DR JEAN JACQUES A
FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 61:10; Hôs. 6; Asa. 3:18,19; Eks. 34:1-10; Rôm. 6:23; Mat. 22:1-14. Tsianjery : « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra. » – 1 Jao. 1:9. FAMPIDIRANA Toa mbola lavitra ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita, izay nitoby teo ambanin’ny andry rahona teo amin’ny tany lemaka. Efa niakatra tao amin’ilay aizim-pito, izay nanarona ny tampon’ilay tendrombohitra andro maro izay, i Mosesy. Araka ny fihevitr’izy ireo dia azo antoka fa efa maty izay ilay mpitarika azy ireo; raha tsy matin’ny hanoanana dia angamba matin’ilay afo mandevona teo an-tampon-tendrombohitra. Tsy tafandry mandry ilay vahoaka feno olona maro samy hafa firenena (ny Isiraelita niaraka tamin’ireo izay niara-niala taminy tany Egypta nandritra ny Eksodosy), vonona ny hiroso ho any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely. Na vao andro vitsy aza ireto olona ireto no nanao fanekena masina tamin’Andriamanitra fa hankatô Azy, dia nitady hanana sary hitan’ny masony izy ireo izao. Koa dia nivory nanodidina ny tranolain’i Arona izy ireo ary nitaky ny hanamboarana sampy ho azy ireo. Noho ny fanahiany momba ny ainy, dia nanaiky i Arona. Hitantsika ao amin’ny Eks. 32-34 ny fizotr’izany tantara mampalahelo izany. Iray monja amin’ireo tantara mampianatra antsika momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka ao amin’ny Soratra Masina io tantara io, izay lohahevitry ny lesona mandritra ity herinandro ity. Ataovy an-tsainao ny hevitra fototra ao amin’ny tsianjery eo am-pandinihanao ny lesona isan’andro. Eny, manota isika, saingy noho ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny drafi-pamonjena, dia misy ny famelan-keloka ho an’ny mpanota izay miaiky ny helony amim-pahatsoram-po sy mibebaka

Ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany (3) 20_05_2017 : Harena nafenina

LESONA 4 q3 2026 FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA DR BENOIT RAKOTOVAO

EDIFY 360 with Pastor Julius

LESONA 12 Q2 2026 TORIO IZY DR JEAN JACQUES A.

DON DRESAKA DU 19 AVRIL 2026 BY TV PLUS MADAGASCAR

Kt Ambatovinaky _ FIKIRO MAFY (Onetec)

Marka 16: 15 - Toriteny Alahady (Ekso 3: 7 - 14)

RESTORE YOUR PRAYER ALTAR BEFORE IT'S TOO LATE | Apostle Joshua Selman. #apostlejoshuaselman

GOTHLIEB : Le Vrai ! de l'économie à l'humour, un parcours hors du commun

LESONA FAHA 11 REHEFA MITSIMBADIKA NY TOE JAVATRA OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA

Lawrence Wilkerson: Iran-Krieg spitzt sich zur globalen Krise zu

FANTATRAO MARINA VE JESOA? - TORITENY ALAHADY 05 APRILY 2020 - FJKM ISOTRY FITIAVANA

FANDAHARANA MANOKANA MJS

LESONA SS FAHA 5 Q3 2026 HO VONINAHITR'ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY DR JEAN JACQUES A

LESONA 2 Q3 2026 NY HAFATRY NY HAZO FIJALIANA DR BENOIT RAKOTOVAO

HAVOTAFO DU 26 JUILLET 2026 BY KOLO TV

La clave del éxito – Dr. Charles Stanley

How to Restore a Broken Relationship

Miomàna 217 Diso zavatra iray loha_09 fév 2020

