LESONA 9 Q2 2026 - NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA
NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana. Hodinihina mandritra ny herinandro: Mpits. 14; Mar. 9:42-48; Rôm. 3:20; Mat. 5:17,18; Rom. 3:28; Mat. 7:24-29. Tsianjery : "Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; fa ireny no amelomanao ahy. Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko." - Sal. 119:93,94. Tsy misy isalasalana fa ny fahotana no sakana lehibe indrindra ho an'ny fifandraisana ety amin'Andriamanitra. Tsy mampisaraka antsika amin'Andriamanitra ankehitrtiny fotsiny ny fahotana (Isa. 59:2), fa mamitaka, mandratra sy mikiky ary manimba antsika amin'ny farany. Ny ady atao amin'ny fahotana sy amin'ny tena no ady lehtibe indrindra hatrehintsika, ary ny vokatr'izany dia goavana tokoa, eny mandrakizay mihitsy aza. Misy ireo izay mandray ny fahotana ho toy ny ampahan-javatra tsy maintsy misy eo amin'ny fiainana. Toetra raiki-tampisaka amin'ny olombelona rahateo ny mitady fahafinaretana. Nefa moa ve isika hanamaivamaivana ny fahotana satria efa mahazatra loatra ny fiarahamonina izany? Mety hitandrintandrina isika rehefa miresaka momba nyfahotana noho nytahotra andrao hanafintohina olona iray ny fiantsoana izany amin'ny anarany, nefa arakaraka ny ifidianantsika hiaina finaritra miaraka amin'ny fahotana no hanalavirantsika ny fifandraisana tsara amin'Andriamanitra. Eny tokoa, samy efa nanota ny tsirairay, ary mampalahelo no sady mandratra ny hafa sy nytenantsika ary Andriamanitra ny eritreritsika, ny antony manosika antsika hanao zavatra, ary ny asa sy ny teny ataontsika. Raha ny marina, dia manimba ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra ny fahotana, nefa Andriamanitra efa nampiseho ny Tenany tamintsika amin'ny alalan'nY fahafantarana ny didiny izay mampihanjahanja ny fahotana eo amin'ny fiainantsika. Andeha hodinihintsika amin'ity herinandro ity ny antony nanomezan'Andriamanitra antsika ny didy folo. Ary rehefa mandika lalàna ny olona iray (izany hoe manota), inona na iza no afaka hanampy amin'ny famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisany amin'Andriamanitra?

LESONA SS FAHA 13 Q2 2026 NY MANDRAKIZAY DR BENOIT RAKOTOVAO

LESONA 12 Q2 2026 TORIO IZY DR JEAN JACQUES A.

🎼🎧🙏FIDERANA VARIETES EVANGELIQUE 2025(EDITION 11) (Rija Ras-Revival-TDL-Shine -NyAvo-Henika-PépéShN)

TeaTime: Steve Andriamasy (Epistolier) "Ny fibebahana tena marina"

Fall Asleep to the Gospel of Mark | Mark 1-16

تلاوة القرآن للدراسة والتركيز 📚🕛 | راحة وطمأنينة | Peaceful Focus Quran | محمد هشام

FIHIRANA FANAMPINY - Vol.01 (Avy ny Maraina - Full Album Audio)

GOD SAYS;- THIS HEAVENLY ALERT IS FOR YOU - OPEN... | GOD'S MESSAGE FOR YOU TODAY

LESONA 10 Q2 2026 FIBEBAHANA SY FAMELAN KELOKA DR JEAN JACQUES A

Marka 16: 15 - Toriteny Alahady (Lio 1: 8 - 17)

LESONA FAHA 11 REHEFA MITSIMBADIKA NY TOE JAVATRA OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA

LESONA 3 AVONAVONA NA FANETREN TENA DR BENOIT RAKOTOVAO MP4 OK

Sabbath School with Mark Finley Lesson 13 — Q2 – 2026

Clip Mamalia ny antsony Fanaky Ny Famindram-po (Fa.Na.Fa)

Mofonaina isan'andro anio Alakamisy 25 Jona 2026. #FJKM_Ambohitantely

TSILO FANDAHARANA SAVA RANON'ANDO

Jusque dans l'éternité I Étude de l'école du Sabbat 13 EDS Adventiste

Hira Fiderana Medley | Fiankohofana | Playlist Evangelique

Toriteny Alahady (Mat. 8: 5 - 13)

