Ho an'i Pasteur SACHA - 10 janvier 2021 : Ny andro sisa iainanay (FEFI 1988/2003)

Andriamanitra Tsitoha ô! Mpahary sy Mpamindra fo Asandratray ny sentom-ponay eo anatrehanao ry Ray Ny andro sisa iananay anie, ho santatry ny fifaliam-be Nomaninao mba ho anay ho sambatra mandrakizay Ireo andro maro efa lasa, izay nanantontosanay asa Nikiakiaka niantso ny ondrinao hiverina eo ambalanao Ny andro sisa ... Tsy ho eto an-trananao ihany fa mba ho eram-bazan-tany No hanambaray ny Teninao tsy mety levona hatr'izao Ny andro sisa ... Ampitomboy re ny finoana izay hany lalana hirosoana Ho amin'ilay tena Fiaianana no andrandrain'ny fisainana Ny andro sisa ...