Hira Katolika: I PIERA VATOLAMPY (Ankalazao ny Tompo)

I Piera vatolampy! (indroa) Vatolampy ny finoany (indroa) Ilay zanak'Andriamanitra. Vatolampy e e! Vatolampy, vatolampy e e! I Piera vatolampy iorenan'ny Fiangonana Vatolampy iorenan'ny finoantsika etý Iorenan'ny finoantsika. (indroa) 1- Eo ambony vatolampy no miorina; Ilay Fiangonana tanàna vohi-masina: Miara-monina ao ny zanak'Andriamanitra. 2- Eo ambony tora-pasika no miorina Ilay tanànam-pahafatesana sy ny haizina; Fahavalon'ny vahoakan'Andriamanitra. 3- Fa mpandresy ireo mpanompon'Andriamanitra: Ny fiadian'ny fanahy no arangany; Dia ny teny sy ny ranon'ny Batemy. 4- Ireo no sabatra analan'ny Fiangonana Ny voageja anaty herim-pahafatesana Ho amin'ny Fanjakan'ny Zanak'Andriamanitra. 5- Vavahady tsy hay resena velively Ny vavahadin'ny Fiangonana, satria Kristy no hazavana ao anatiny; 6- Kristy ilay masoandro tsy hisoka; Miambina azy tsy ho amin'ny lalan-diso; Amin'ny herin'ny Fanahy Fahamarinana. 7- I Piera no Mpiandry vavahady Sy mpitana ny fanalahidin'io: Izy koa no mpanidy sy mpamoha. 8- Ampidiriny ao anatin'ny fiombonana Ny mpanota izay nania ka tafaverina, Ireo tsy mpino izay voasinton'ny Fanahy. ------- Ankalazao ny Tompo.