HAVAOZIKO NY FOKO (TANORA MASINA ITAOSY) By Avotra & Antsa
1- Toa misy feo mibitsika ahy, Feo malefaka tsy mba miavona, Manambitamby toa maha te ho tia, Izay Miantso hoe “avia” Izaho anefa toa saikatra ny hanantona, Asa aloha na matahotra angaha, Midobodoboka ny foko, Fa toa manindry mandry ahy, Ndrao ny Tompo. Injay ‘lay valim-bavako, ‘Zay nandrasako hatr’izay ela izay, Aza manahy na matahotra fa Izy tokoa izao Ny hafenoin’ny kapoakanao no toa mampanahy, Ka dieny izao dia mibebaha Ny helokao ifony avokoa Ka fo madio no hitsenanao ny Tompo Inty vakio sy mba diniho Ampiharo dieny anio mba ho fiainanao Taloha aho no nanamafy loha F’anio aho hiova fo hiantoraka Aminao Ry Jeso REF: Havaoziko eto anatrehanao, Ny foko fa tena hiriko ho lasanao, Ny Teninao no hiorina ato am-poko, Mba ho fandresy ireo ota mandoto. Ouh. . .Ouh. . .Ouh. . .Ouh. . . . (×2) Andeha hiaraka hamoha Ireo fo mihidy ho an’i Jeso F’izay no anjara ho ahy sy ho anao Manomboka izao Ka ho aseho ho ren-tany ho ren-danitra fa Raha ‘lay Jeso no miasa ho anao Ho maivana avokoa ny entanao, ‘Reo efa lo aza ho tonga vaovao Ezaho aloha, hihena ny aminao F’ilay Jesosy no aoka hitombo hatrany, Fa izy anie mijery ety ambany, F’ianao kosa no mba manakatra Azy avo. REF: Havaoziko eto anatrehanao, Ny foko fa tena hiriko ho lasanao, Ny Teninao no hiorina ato am-poko, Mba ho fandresy ireo ota mandoto.

Tanora Masina Itaosy - Mitoera (Clip officiel)

Ny mifankatia by Avotra & Antsa (Bessa)

Anjara masoandro (Lyrics) - Tanora Masina Itaosy

ATAOKO AHOANA NY FITIAVAKO

Amorony fo madio / Avotra & Antsa ( Ny Mpitory)

Havaoziko ny foko

🎼🎧🙏MEDLEY HIRA FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 1) (PEPE SHINE-RIJA RASOLONDR-JDAF)

Tsy ho irery intsony aho by Antsa & Avotra / Tanora Masina Itaosy

KTLM PARIS - Tefeo ny foko (Karmela cover) (clip officiel)

Hafa ny taloha - Tanora Masina Itaosy (Clip)

HAVAOZIKO Hosana Ambohijatovo Fitiavana (Havaoziko, Vol 7)

Ny koraita - Mpandresy

Ahy Jesosy (Clip HD) - Tanora Masina Itaosy

Omeo ahy ny fo madio(Ny Mpitory) : Avotra & Antsa

Efa ela no naseho ho hitanao)

WINDOW WORSHIP SESSION avec Toky Narindra

Maranatha

IZAY MATOKY AN'I JEHOVAH (Emmanuel Alembert RABARY) - Chorale Fiderana - Fpma Paris.

Raha tsinjonao (Fara Andriamamonjy) / Avotra

