MITOERA ETO AMIKO RY JESOA BE FITIAVANA / CHORALE ANTSAN' NY TRINITE MASINA

馃憠馃憠聽聽聽鈥⒙燭SY聽NISY聽NAHITA聽(Tononkiran'聽i聽Zakaria)/AN...聽聽 MITOERA ETO AMIKO RY JESOA BE FITIAVANA Mitoera eto amiko, 么 ry Jesoa be fitiavana Saro-tahotra ny foko sady mora mianjera Ny sakaiza mora miala toy izany koa ny havana Iza no hiaraka amiko, 么 ry Jesoa mitoera (2x) 1. Fantatrao fa tia Anao, 鈥榸any foko sy ny heriny Isan'andro vao mifoha, lasanao ny eritreriny Raha tezitra ny onja tamin鈥檔y sambon鈥檔y fiainako Fantatrao fa taminao no hany niotarainako 2. Fantatrao fa osa loatra 'ty fanahy fadiranovana Zay miantso Anao tsy tapaka eto an-tany fandalovana Raha noana indray ny foko fa nidaboka sy lanaka Fantatrao fa nifanojo ny fijerintsika mianaka 3. Fantatrao fa nanantena lalandava ny fanahiko 'Reny bitsika mangina ao anaty ny angatahiko Raha torovana ny foko tena kivy sady reraka 'Zany foko kivy izany hanantena anao tanteraka