Vavaka maraina - Katolika Malagasy
FIVAVAHANA MARAINA Hisaorana anie ny trinité Masina, tsy azo sarahina, ankehitriny sy mandrakizay. Amen. Andriamanitra ô, mitsaoka anao aho ary tia anao amin’ny foko manontolo. Misaotra anao aho tamin’ny naharianao ahy, tamin’ny nanaovanao ahy ho kristianina, ary tamin’ny niaraovanao ahy nandritra ny alina. Atolotro anao izay rehetra hataoko anio ; aoka izy ireo ho araka ny sitra-ponao masina sy hanome voninahitra anao. Arovy amin’ny fahotana sy amin’ny ratsy rehetra aho. Ny fahasoavanao anie homba anay lalandava. Amen. Fitsaohana Andriamanitra mandrakizay, mahefa ny zavatra rehetra : Ray, Zanaka sy Fanahy Masina : Andriamanitra tokana Olona telo, mino Anao aho sy matoky Anao sy mitsaoka Anao ary tia Anao amin’ny foko manontolo. Fisaorana Andriamanitra, misaotra Anao aho amin’ny zava-tsoa maro nomenao ahy, fa nahary ahy Ianao sy nanavotra ahy tamin’ny Ran’ny Zanakao, ary nanangana ahy ho zanaky ny Eglizinao, sy nitahy ahy tamin’ity alina teo ity. Fifonana Mifona aminao aho amin’ny fahasoavana nariako sy amin’ny fahotana rehetra nataoko taminao, fa indrindra hatramin’ny omaly hariva. Fanolorana Andriamanitra, atolotro Anao ny hevitro ny teniko, ny asako sy ny fijaliako, dia akambako amin’ny fijalian’i Jesoa Kristy izany ho fanalana ny fahotako. Sakano aho anio tsy hanao ratsy ; ary ataovy izay tianao amin’ny tenako sy zavatro rehetra, ka tahio aho mba hanaraka ny sitra-ponao masina amin’ny fo mazoto. Rainay any an-danitra Arahaba ry Maria Voninahitra anie Andriamanitra ô, tsy misy fantatro izay mety hiseho amiko anio. Ny hany fantatro, dia tsy hisy zava-miseho amiko izay tsy efa noheverinao na nalahatrao mba hahasoa ahy, hatramin’ny mandrakizay. Ampy ho ahy izany. Ankasitrahako ny fandaharanao masina sy tsy hita pesipesenina, ka vonona ny hanatanteraka izany amin’ny foko manontolo aho noho ny fitiavana anao. Atolotro anao ny tenako manontolo ary akambako amin’ny soron’I Jesoa Kristy, Andriamanitra Mpamonjiko. Amin’ny anarany sy noho ny fanoloran-tenany, dia mangataka aminao ny faharetana sy ny fanekena amin’ny fijaliako rehetra aho, ka izay rehetra sitrakao na avelanao hiseho amin’ny fiainako anio, dia mba ho an’ny voninahitrao lehibe indrindra sy mba hahamasina ahy. Amen. Ry Reny masin’Andriamanitra, arovy izahay miankina Aminao ; ianareo Anjely mpiambina anay sy ianareo Olomasina rehetra any an-danitra : manampia anay ary mangataha amin’Andriamanitra ho anay, mba hampiadaniny ety ambonin’ny tany izahay sy harovany tsy ho latsaka amin’ny fahotana, ary dia ho tonga any an-danitra. Amen. Ry Anjelin’Andriamanitra mpiambina ahy sy nanankinan’Andriamanitra mpamindra fo ny aiko : hazavao aho anio, ambeno, tahio ary zakao. Amen.

Raozery: Mistery Mampalahelo (Talata sy Zoma)

Indirimbo nziza cyane zo gushengerera

Matoa gny olo mifiopioka JMJ MADA 9 (Tanora Toliara)

Vavaka fangatahana fiarovana miaraka amin'i Md Benoit

Madio itony rano - Hira Katolika Malagasy

Fañahy maha iraika_Vetson'i Fianara_Hira Katolika Malagasy

Vavaka maraina ! - Prière du matin !

KTLM PARIS - Tefeo ny foko (Karmela cover) (clip officiel)

Avia ry Fanahy Masina ô HIRA KATOLIKA It's Nathie

Niwowe mugenga

VAVAKA MARAINA

Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo (Hira Katolika Malagasy)

ATAOKO AHOANA NY FITIAVAKO

🎼🎧🙏MEDLEY Hira FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 5) SPECIAL COVER

Miantso Anao 'zahay, ry Tompo, fa mitady ny Fanahy_Hira Katolika Malagasy

VAVAKA FANGATAHANA AMIN'I MASINA MARIA MAMAHA VONA

Andeha an-kafaliana (HIRA KATOLIKA) It's Nathie

Masina Maria reninay e,Maminay ianao_Vazon'ny Lanitra Ambilobe_Hira Katolika Malagasy

Lalan'ny hazofijaliana

