Hosana Ambohijatovo Fitiavana Tsy mendrika aho
TSY MENDRIKA AHO He ity izaho Tompo ô ! tianao na dia efa toy ny adala Izany aho nefa antsoinao hoe : zanaka malala Tena ontsa anaty fo(ontsa anaty fo) Mampilatsa-dranomaso koa Miondrika no atao, tsy mahajery Anao, Tompo o ! menatra aho Miasa anatiko any, feonao manontany, iza no irahiko Moa ity izaho ve mendrika handray ilay famindram-po Ny ati-fanahy henika, feno karazan-doto Tsy toy izay ny fihevitrao (Tsy toy izay IANAO) Fa natsotranao ny tananao Nanova, namindra , nanadio, nandrindra ‘zao fiainako izao Ka misaotra indrindra, fo feno hafaliana atolotro ANAO Ref: Tsy mendrika aho, tsy mendrika, lehibe ny otako Lehibe tsy mahate-hiherika, he tsy zakako Tsaroako IANAO voahombo teo Nibaby ireo entako ireo, misaotra ANAO, misaotra Anao Tsy mendrika aho nefa navotanao Tsy ho hadinoko Tompo ‘lay fanavotana aina Fa tena tianao aho Rehefa mody masoandro io na koa mifoha maraina e Manandra-tanana aho IANAO no antsoiko, tiako ho anilako eo Fanahy sy foko, indray manandra-peo IANAO no antsoiko, te hidera ANAO aho Fanahy sy foko, te hisaotra ANAO Soa IANAO JESOA fa teo, nahafoy, nanolotra aina Maro ireo karazam-peo, nanimba fo sy saina Ny feonao mbola hafa moa (Feonao hafa moa) Feom-pitiavana, mambabo fo Feo manome hery, tsy mamela irery raha sendra manjo Feo fanantenana, feo fahazavana, feo handreseko Antoko Mpihira HOSANA FJKM Ambohijatovo Fitiavana aut/comp: RAJAONARIVELO Germain

Hosana Ambohijatovo Fitiavana - Ekeko

Hosana Ambohijatovo Fitiavana - Tena tiako Ianao

KEROBIMA ANKATSO Aza ilaozanao

Worship Music 2026 ✝️ | Nonstop Christian Praise & Worship Songs Playlist

KT Ambatovinaky - Ekeko ny hitia (live)

Miantso Anao - Hosana Ambohijatovo Fitiavana

LIVE Hosana Ambohijatovo Fitiavana 12/11/2023

KTLM PARIS - Tefeo ny foko (Karmela cover) (clip officiel)

TSY MENDRIKA AHY MPANOMPO de Henri Ratsimbazafy

Apetrako Aminao

Hosana A F Raha tsy ao Aminao

ANTSAN KIRA FIDERANA 'TARIKA ROJO NY AVO'

Hosana Ambohijatovo Fitiavana - Miasa Andriamanitra

ANTSAN KIRA FIDERANA 'GROUPE SAMBATRA'

Mivavaka Aho Hosana Ambohijatovo Fitiavana Vol 7

HAVAOZIKO - HOSANA AMBOHIJATOVO FITIAVANA

Miantso Anao - Hosana Ambohijatovo Fitiavana

Tanora Masina Itaosy - Mitoera (Clip officiel)

MIANTSO ANAO - HOSANA AMBOHIJATOVO FITIAVANA

