Hosana A F Raha tsy ao Aminao
RAHA TSY AO AMINAO (Vol.1) 1. Raha tsy ao aminao ny fiainana feno vavaka, Ataonao ahoana no hamantatra sy ho fanavaka izay hahasoa na tsy hahasoa anao ? Na ratsy na tsara hafangaronao. Hampahalala anao izay tokony atao ny vavaka. Raha tsy ao aminao ny faharetana amin'ny vavaka, Dia ho avy ilay ratsy hitarika anao ho any an-davaka. Fa tena simbainy io fisainana io, Ny zava-maloto ataony hoe madio Hanala ireo fandrika handoto anao ny vavaka. Maraina sy antoandro na alina ianao Ny mihaona amin'ny Tompo no ataovy fanao Fa Izy hampahiratra ny masom-panahinao Ianao tafaray marina Aminy no ahafantaranao izay sitrapony. Hinoy fa Andriamanitra dia hamaly ny vavakao. 2. Raha tsy ao aminao ilay Fanahy mahery, Fitiavana dia tsy ho fantatrao izay lalan_kaleha hahatongavana sy hanatratra ilay paradisa arÿ, amboaran'ireo izay maharesy ety. Ny mahatsara anao: ny manaiky mba ho tantanany. Raha tsy ao aminao ilay Fanahy mahery Mpananatra hampianatra anao f'izay mietry ihany no hasandratra. Fa raha ny toe-tsaina tia rehareha no iheveranao tena ho tsara fandeha, Dia tsarovinao f'ianao indray no lasa farany. Fa fihazakazahana ity tany ity, na ianao tafita na potraka ety. Fiarovana tsara omeny anao ny Fanahiny. Ny hazakazakao tsy ho tanteraka. Ianao ihany koa mbola ho reraka Raha tsy ao aminao ilay Fanahy mahery hitantanana anao Hosana Ambohijatovo Fitiavana A/C: RAJAONARIVELO Germain

Hosana Ambohijatovo Fitiavana Tsy mendrika aho

HIFAMATORA AMINAO - NY KORAÏTA

NOMEN'I JESOSY NY MPANOMPONY IANAO MBA HO FANATANTERAHANA ANAO | BISHOP PATRICK ANDRIANARIVO

BEST OF CANTIQUE ZAFINDRAONY by SAOTRA SY DERA (Full Album Audio)

Tea Time: Kevin & Valisoa "Fiarahana araka ny sitrapon'Andriamanitra"

KT Ambatovinaky - Ekeko ny hitia (live)

Hosana Ambohijatovo Fitiavana - NDAO HIDERA AZY 2

Hira Fiderana Medley | Fiankohofana | Playlist Evangelique

CFF"Ray ô! Mamelà ny heloko" 2Tan7:14"hivavaka..hanetry tena..hiala @ ratsy..ho sitrana...ny COVID19

LIVE Hosana Ambohijatovo Fitiavana 12/11/2023

FIHIRANA FANAMPINY Vol.02 (Avy ny Maraina - Full Album Audio)

🎼🎧🙏 MEDLEY FIDERANA SY FIANKOHOFANA 2026 (15EME EDITION) SPECIAL ROJO NY AVO AND FEATURING FRIENDS

Hosana Ambohijatovo Fitiavana - Tena tiako Ianao

Miantso Anao - Hosana Ambohijatovo Fitiavana

TGC - Lehibe Jehovah

Neniko ny LasaNy Koraïta Manarintsoa Finoana

Tompo O Ny Foko

Tsy ny soa iany - Hosana Ambohijatovo Fitiavana Eropa. #Hira 06/17

🎼🎧🙏MEDLEY Hira FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 5) SPECIAL COVER

