Ny Railovy - Hisy Hatsiarovanao Ny Anarako

HISY HATSIAROVANAO NY ANARAKO Hisy hatsiarovanao Ny anarako Hisy hanembonanao Ny fitiavako Ny fo nitia, Jamba nanantena anao Eny mbola hitomany ianao Toy izao tomaniko izao Mangahiahy,mangahiahy Maratra ny ao am-po ’Zao rehetra izao Rakotr’aizina avokoa Nilaozanao mbola tia Ka tomany mahatsiaro Ireo dina izay natao Ho tia anao Hisy hatsiarovanao....sns Efa nilazako ianao Nilazako... Ny tsiambarateloko Efa nitiaviko ianao Ny fitia tsy hay nafeniko Nefa alahelo sy tomany No zakaiko noho izany Hisy hatsiarovanao....sns. Tonony/feony:Jerôme RANDRIA