Ny Railovy - Vonoy Ny Anarako

VONOY NY ANARAKO Ilay tonon-kira nosoratako ho anao fahiny raha toa ka misy ny soniako any aza tsiny mbà angalao gôma kely anie ka azafady fafao, vonoy ny anarako Tery ampototr’ilay hazo iray falehantsika nasiako sary fo iray hoe fo iraisantsika voasikotra eo nyanarantsika 2 ka raha mandalo eo ianao vonoy ny anarako izao no hevitra efa tapaka fa mety isika raha misaraka tsy izaho irery no nifidy fa ianao koa nandramatsika ny namerina ilay fitia fa tsy niverina ka aoka izay fa atao ahoana moa tsy anjara angahan y antsika 2 tantara sisa no tavela fa tsy hay vonoina ny lasantsika anefa aoka mba ho hadinoina koa hafarako anao izao rehefa tsy ho anao vonoy ny anarako satria efa noroahinao hiàla tato ampoko ilay fitia n,omeko anao kanjo zary toloko dia olon-kafa indray no hiditra ao hitondra aina vaovao vonoy ny anarako na ao anaty diarinao na eny ambany sary na eo imolotrao na any anaty fo marary ny any anaty kalokaloko sy hirako aza dia izao vonoy ny anarako!!!.... Jérôme Randria