"Injany, misy feo!" - Hira FFPM 314
"Injany, misy feo!" - Hira FFPM 314 Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana FFPM 314 – Injany, misy feo! 1. Injany, misy feo! Ka iza no tsy mandre? Ry Kristiana, raiso Adidy lehibe. Manerana ny tany Ny antso avo izao, Ho an’i Jeso Tompo Izao tontolo izao. Mihobia Sy mitoria. Ny teny mahafaly Izay voarainareo Izao no tena fetra; Ho an’i Jeso soa. Ny olona rehetra ho Azy Avokoa. 2. Tsy ho antsika irery Ny fahasoavam-be, Fa ho an’ny olom-bery Tsy an-kanavaka e! Ny fiantran’ny Tompo Tsy misy fetra, koa Lazaonareo mpanompo Lay fitiavan-tsoa. Miasà. Ka milazà Ny teny mampionona Mahafa-po; Voarainareo ny baiko: Ho an’i Jeso soa Ny olona rehetra ho Azy Avokoa. 3. Ny Tompo no milaza: “Andeha mitoria,” Ka na dia sarotra aza Ny asa, matokia; Fa tsy mandeha irery Izay mitondra soa, Fa omban’Ilay Mahery Ny irany tokoa, Ka sahia Dia mitoria Ny famonjena lehibe Voarainareo; Voatsangana ny saina: Ho an’I Jeso soa Ny olona rehetra ho Azy Avokoa. 4. Ry Tompo sy Mpanjaka! Ampio ny olonao Hanoa sy hanahaka Ka hankalaza Anao, Dia aoka hokendreny lzay katsahinao. Ka hahita famonjena lzao rehetra izao, Ry Tsitoha! Mba manehoa Ny hery mahagaga izay Anananao: Tongava mba hanjaka, Ka angony avokoa Ny olona navotanao, Ry Tompo soa! Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar

ANTSAN KIRA FIDERANA CHORALE TMI

Toriteny 01/02/2026 | Matio 19 : 27-30 | Pasteur Edison Randriamalala

Varavaran'ny lanitra | Joseph d'af | Hira Fiderana Malagasy

La misinisiny

Tea Time: Kevin & Valisoa "Fiarahana araka ny sitrapon'Andriamanitra"

Aratra Sambarta 2008 sy 2026

Moa ve tia ahy ianao

Yezu waje kubana natwe_Harmonisé par H. Nduwumwe

Le Pape Léon XIV A PLEURÉ en Disant CECI — Tout Catholique Âgé Doit Voir

The Second Coming: What You MUST Do to Be Ready

FFPM 207 - Mamy ny teninao

FFPM 632 - Ampianaro aho Tompo

Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo (Hira Katolika Malagasy)

Toriteny araka ny Lioka 8:4-15 Pastora Andrianandrasana Maminirina, Filoha Lefitra SPAf

Jeso mpanjaka malaza by Andri Toubi_Ben

🎼🎧🙏 MEDLEY FIDERANA SY FIANKOHOFANA 2026 (15EME EDITION) SPECIAL ROJO NY AVO AND FEATURING FRIENDS

Voninahitra anie ho Anao, ny namoronanao anay_Hira Katolika Malagasy

Moa ... FJKM STK Antsirabe Fitiavana

Mahereza re razandry ! (A/C: Ankalazao ny Tompo)

