Ato amiko ny fanahy, fanahin'ny Tompo_Hira Katolika Malagasy

Welcome to our YouTube channel dedicated to Malagasy Catholic music! We are delighted to share with you an inspiring collection of religious songs from Madagascar. Our channel is here to offer you a connection to your spiritual heritage. Bienvenue sur notre chaîne YouTube dédiée à la musique Catholique Malagasy ! Nous sommes ravis de partager avec vous une collection inspirante de chansons religieuses en provenance de Madagascar. Notre chaîne est là pour vous offrir un lien avec votre héritage spirituel. #HiraKatolikaMalagasy #HiraKatolikaMalagasy #hirakatolikamalagasy 1. Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo, Fa nanosotra hitory vaovao mahafaly Amin'ny malahelo sy naniraka ahy Hankahery izay torotoro fo. Ampio aho, tantano am-pitiavana aho, Jesoa o. Fa raha ny heriko ihany dia ho kivy an-dalana aho Hanatontosa ny irakao no mamiko Fa omaly, anio ary mandrakizay Tsy miova ianao, Jesoa o. 2. Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo, Hitoriako fahafahana amin'ireo izay voafatotra Fahiratana ho an'ny jamba ary koa fahafahana Amin'ireo izay ampahoriana 3. Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo, Mba hampionona izay tra-pahoriana rehetra Ao anatin'ny fanompoana sy fandavan-tena Am-pitiavana hatramin'ny farany