INDRO IRAHIKO IANAO HAMPANJAKA FITIAVANA A/C Mgr Jean Paul ANDRIAMANANA Chœur ANKALAZAO NY TOMPO
👉🎁 • FA TSY HOE Mgr Jean Paul RANDRIAMANANA/Ank... 1. Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e. (indroa) Hanatontosa ny lahatra, n'lahatr'Andriamanitra Ray e: Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, Nampihavana antsika taminy indray ka nandefa ny Zanany e: Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, Izy no tia mialoha, ka naniraka ny Zanany Mba hisolo voina antsika, mba ho solon'ny mpanota: Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, (indroa) Ataovy antso avo ny hafatry ny Tompo, 'lay dinam-pitiavana e: Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, Izay tena tia no mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany e... Misy afo mandoro ao anatiko ao, hoy ny Tompo nanafatra: Ny hielezan'izany amin'izao tontolo no faniriako e. Tsia, tsia, Tsy ho safotry ny ranobe akory ny fitiavana. Eny e, Tompo ô, 'Ty aho iraho hampiray ny olombelona. (indroa) 2. Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, (indroa) Aza mitia eo amin'ny molotra, kobaka am-bava izany e, Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, Tiava amin'ny asa tokoa sy am-pahamarinana, Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, I Kristy no taratra, nitia hatramin'ny farany, Tsy nitsitsy ny ainy koa mba hanaovantsika izany e, Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e. (indroa) Torio amin-kira, amim-pifaliana izay nandidiany: Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, Ho fantatra fa mpianany isika raha mifankatia... Tsy misy olon-kafa isika mianakavy fa mpiray tampo e, Taranak'i Kaina avy amin'ilay Ratsy izay mankahala. 3. Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, (indroa) Ny fitiavana tsy ho ritra toa loharano velona: Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, Tsy ho levona mandrakizay, tsy hanam-pahataperana: Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, Eny, mahery tahaka ny fahafatesana izy, Manana endrika ny afo, lelan'afon'Andriamanitra Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, (indroa) Ireo ranobe tsy hahefa mamono ny herim-pitiavana: Indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana e, Ireo renirano, ony manonja, tsy hahasafotra azy... Ny herin'ny haizina mpankahala tsy hahatohitra azy: Ny Zanak'Andriamanitra hany mpitondra herim-pahafahana.

Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo (Hira Katolika Malagasy)

Ny vato natsipin'ny mpanorin- trano_Ankalazao ny Tompo_Hira Katolika Malagasy

❌NAMPIAKA-PEO I Pr JEAN LUC NAMALY AN'I SITENY NANOLOANA NY VAVA NATAONY🚫❗

VITA NY MOMBA SITENY , ESORINA TSY HO PAN I SITENY RAHA TSY FAHOTANA ( Nouveauté gasy 2026 )

MPAMAFY AN’I KRISTY: Mankasitraka

ATAOKO AHOANA NY FITIAVAKO

Itondray tsikitsiky

L'ÉGLISE EN CHANSONS

Injay fa miantso ahy, ny feon'ny fitiavana IT'S NATHIE (Hira Katolika)

Inty aho, Jesoa - HIRA KATOLIKA

Izaho no Mofon'ny fiainana_Ankalazao ny Tompo_Hira Katolika Malagasy

Miara dalana -Vetson kira

Miantso Anao 'zahay, ry Tompo, fa mitady ny Fanahy_Hira Katolika Malagasy

FA TSY HOE Mgr Jean Paul RANDRIAMANANA/Ankalazao Ny Tompo

HIRA KATOLIKA Inty aho ry Jesoa (It's Nathie)

Ataovy manakoako Sal 65

Mialy RAKOTOMAMONJY - "Tiako loatra"

Miverena ianao ô ry mpanota ô! ONJA NY AINA

