Toriteny 29/03/2026 | Jaona 12: 01-16 | Pasteur Edmond Raharijaonarivelo
— Jaona 12: 01-16 — Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty. Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy. Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano. Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy: Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo? Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny. Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny andro hanamboarany Ahy halevina io. Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva. Ary ny vahoaka betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty. Fa nihendry hahafaty an'i Lazarosy koa ny lohan'ny mpisorona, satria izy no nialan'ny maro tamin'ny Jiosy ka ninoany an'i Jesosy. Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy, dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26). Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9). Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany. ——————————————————————————————————————————— ➡ / flmparis

Toriteny 07/06/2026 | Lioka 12:13-21 | Pasteur Edison Randriamalala

Toriteny | Apokalypsy 3: 1-6 | Dr Lalao Rakotomahanina

Prédication 01/03/2026 | Luc 7: 36-50 | Pasteur Laza Nomenjanahary

TeaTime: Steve Andriamasy (Epistolier) "Ny fibebahana tena marina"

Toriteny 15/02/2026 | Lioka 18: 31-43 | Pasteur Edmond Raharijaonarivelo

🎼🎧🙏MEDLEY Hira FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 5) SPECIAL COVER

Brazil vs. Morocco Highlights FIFA World Cup 2026 | Sportschau

MOST CHEAP STREET FOOD IN AFGHANISTAN | KABULI PULAO | ROAS CHICKEN | BIRYANI RECIPE | STREET FOOD

Toriteny 31/05/2026 | Jaona 15:12-17 | Katekista Mirahoson Randriamalala

Eo foana Ianao, KTLM Malakoff - Malakoff Choir

Tough First Day In Port Louis, Mauritius Then This Happened!

"Ny famindram-pon'i Jehovah, araka ny bokin'Isaia faharoa (Isaia 40-55)

ANTSAN KIRA FIDERANA 'GROUPE LAURENT RAKOTOMAMONJY'

Brasilien – Marokko Highlights | Gruppe C, FIFA WM 2026 | sportstudio

"The Fall of Megachurches: Why Joel Osteen's Lakewood Church is Collapsing"

Toriteny Pentekosta 2026 | Jaona 15: 01-11 | Pasteur Edison Randriamalala

🎼🎧🙏MEDLEY HIRA FIDERANA meilleurs Slow évangélique 2023 (EDITION 1) (PEPE SHINE-RIJA RASOLONDR-JDAF)

Prédication 29/03/2026 | Jean 12: 01-16 | Pasteur Laza Nomenjanahary

TORITENY ALAHADY 14 JONA 2026 , FJKM ATSIMON'IMAHAMASINA

