Dada o, Fitiavana tsy manam pahataperana

Tsaroako loatra ireny maraina vao mangiran-dratsy Ianao efa lasa, nitady izay ho vatsy Ny hatsiaka sy ny rivotra tsy nahasakana anao Ny hitantana anay no hany tanjonao Ny hatsembohanao latsaka tamin’ny tany Namatsy anay fanantenana hatrany. Dada o, fitiavana tsy manam-pahataperana Ny sorisory rehetra dia vitanao notoherina Fahafoizan-tena, fahamendrehana sy hery Ny dian-tongotrao tsy ho faty velively Misaotra Dada, nampianatra anay ny lalan-tsara Ny tantaranao no lova sarobidy indrindra ho anay taranaka. Ny tananao hita fa reraky ny asa mafy Nefa ny fonao kosa tsy mbola nitanondry na niharitra tafi Nisafidy ny hanetry tena, nitazona ny haja Tsy nitaraina na oviana na oviana na dia vizana aza Ny sorokao no niankinan’ny hoavinay Ianao no andry niaro ny ankohonanay. Tsy volamena na harena no navelanao ho anay Fa ny fahasahiana mijoro sy ny saina mahay Nasehonao anay ny dikan’ny hoe "lehilahy" Tsy amin’ny hery fotsiny, fa amin’ny fo tsy manahy Ny fitiavanao mangina nefa tena lalina Toy ny kintana mitari-dalana amin'ny alina. Na dia efa lasa aza ny fotoana sy ny taona Ny fampianaranao mbola ato an-tsainay foana Ny fahamendrehanao no akanjo itafianay Ny herim-ponao no hery mampijoro anay Mandria am-piadanana, ry ilay mpiaro tsy niala Ny fitiavanao ato am-ponay, tsy hety ho tsinjo lava.