MBOLA IRERY / SOLFEZY - MAHALEO (A/C: Dadah)

1/ Ory irery, mbola irery, Toa tononkira tsisy feony; Miandry ilay, mozika iray, Nefa toa ela ny fisehony; Fa fitia tsy nisy mpiventy, Ka lasa nivezivezy, Miandry (2x), miandry anao, Handrakitra azy ho solfezy. 2/ Ianao no redona, hamelona, Ireo teniko, Ny eritreritra fanantenako, sy fitia nafeniko; Ny any tena faniriako, Fitia iara-miangaly; Miandry (2x), miandry anao, Hahatonga ny fitiavako antsaly; Solo 3/ Nitady izay feo, mba tiako aho, nitety sy nifindrafindra; Nefa fa raha tsy, nivalana ireny, dia redona tsy mety mirindra; Ny any feo mifandimby, Nefa tsisy azoazo, Miandry (2x), miandry anao, Hahatonga ny fitiavako vazo; 4/ Ianao no sisa, andrasana, Dia ho tontosa ny hiran-tsika; Ny tononkira nosoratako, Ho ravahanao mozika; Izao aloha dia mbola irery, Tononkira mandeha ila; Miandry (2x), miandry anao, Handrakitra azy ho kapila. Dadah (www.tononkiraserasera.org)