JESOSY Ô VONJEO - Hanitr'i Kristy - (Lyrics)

🎵JESOSY Ô VONJEO🎵 (Lyrics) 'Zaho Jesosy mba maniry Ny hanao ny sitrakao Efa ela no nikiry, Tsy nahomby hatramin'izao Raha anio mandre ny antsonao Dia torotoro fo Toa hiova ho olom-baovao Tapa-kevitra hifoha. Nefa izany tsy maharitra Tsy mba mety ho lasa lavitra Rahampitso dia injay Ny omaliko no miverina indray 'Zaho Jesosy mba tantano O! Arovy sy tohano Miangavy, mitoreo Jesosy o! vonjeo, 'Ty zandrinao vonjeo. Toriteny maro no efa re, Be ny anatra voaray Fa ny hampihatra ireny anie Dia toa sarotra tsy hay. Vao mandroso indray mandingana Hoe hanaraka Anao, Dia indro fa voafingana, Potraka sy lavo aho. Tsy azo antoka ny hoaviko, Tsisy antenaina ny amiko, Raha tsy tantananao Dia inoako fa tsy ho tafita aho. Aza avela handeha irery, O! ampio fa kely hery. Miangavy, mitoreo Jesosy o! vonjeo, 'Ty zandrinao vonjeo! Jesosy o! vonjeo, 'Ty zandrinao vonjeo, Jesosy o! vonjeo, 'Ty zandrinao vonjeo. 🌈 A/C : Bruno Andrianaivo ©Hanitr'i Kristy Ampefy #LyricsbyKalo