Tranobe teto Imerina : Efa nisy hatry ny fahagola.
Efa nisy hatramin’ny fahagola ny Tranobe teto Imerina. Tsy toeram-panjakana na itoeran’ny mpanjaka toy ny any amin’ny faritra na foko hafa ny tranobe ny tranobe niorina teto Imerina teny amin’ireo tendrombohitra 12 anatin’Imerina enin-toko, raha ny fanazavan’ny Mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Madagasikara ao amin’ny Tranoben’Imerina eny Ankazomalaza Antananamasina Ambohimanga Rova, Ny andriana Robert Randrianantoandro. Voalohany, voatahiry ao ny hasim-piandrianana Merina ary misy ihany koa ireo avy any amin’ny foko hafa, antony niantsoana azy ho fitehirizana ny hasim-piandrianan’i Madagasikara fa tsy ny foko Merina ihany.Tsy itovizany amin’ireo tranobe hita any amin’ny faritra ihany koa ny fisarahany amin’ny Lapam-panjakana ary tsy ny mpanjaka no mitantana azy fa ireo Ray aman-dReny sy ny Zokiny aman-dRainy ary ny Manan’ny Antony. Very nogiazana tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany ireo tany ary nodorana manontolo tamin’ny andron’ny faha-panjaka ireo tranobe rehetra teto Imerina. Misy ihany anefa ireo tafaverina tamin’ny taranaka tato aoriana ary isan’izany ny eny Ankazomalaza Antananamasina. Efa nampoizina ihany anefa izany fony nanjaka Radama voalohany, ka tamin’izany no nahafahana nampandositra ireo fanaka masina tsy ho very. Teto amin’ny tranoben’Imerina Ankazomalaza Antananamasina ihany koa no toerana fanajariana ny hasim-piandrianan’ny tany sy ny fanjakana ary ny vahoaka hatramin’ny faha-panjaka. Efa niantomboka ny taona 2018 no nanaovana izany ampahibemaso sy fantatry ny rehetra raha niafina ny fanatanterahana io fomba io hatramin’ny nandoroana ny tranobe, dia ny “Andro Fandroana” izany . Tsy afaka nisy ihany koa ny famondronana ireo loham-poko ifangaroan’ireo lonaky sy sojabe, tangalamena sy mpitan-kazomanga ary ampanjaka avy amin’ny foko 22 manerana ny nosy raha tsy tanteraka ny fanorenana ny tranobe teto Imerina. Fanorenana izay nangatahan-tsodrano tamin’izy ireo ihany koa. Manamarika fanamafisam-pihavanana sy firaisankina ary fifanomezan-kasina araka izany ny tranobe.

ANKITSIMPO OF JULY 17, 2026 BY KOLO TV

EM14: Toe-tsaina marina ve no olan'ity firenena ity? Toky RAJAONA

𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 - 𝐓𝐄𝐙𝐈𝐓𝐑𝐀 (Official Video Clip / Be Mozik! 2024)

FIAINANA GASY - AMBATOLAMPY

MADAGASCAR: A Journey to the Heart of the Red Island | Destination Francophonie | TV5MONDE

Famoha 22 Novembre 2023

L'ASSURANCE : ARNAQUE OU NÉCESSITÉ (avec les Assurances ARO )

Madagascar, sur le rivage des Antemoro

so cool 26 juin 2019

Zahatany 25 Mai 2024 |Aire Protégée et le barrage d'Andekaleka |Grotte d'Ambatolatabatra,Manasamena|

Madagascar's black gold

DON DRESAKA JULY 5, 2026 BY TV PLUS MADAGASCAR

FANDAHARAN " 𝗭𝗢 𝗜𝗧𝗘𝗡𝗬

FAMOHA ALAROBIA 18 FEBROARY 2026

A la recherche du Kokolampy

𝐌𝐀𝐍❜𝐃𝐀𝐌 - 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐇𝐈𝐌𝐀𝐇𝐀𝐃𝐈𝐙𝐈𝐍𝐀 (Be Mozik! 2009)

I'm spleeping over tonight - Madagascar

Tantara gasy --- Tantara RDB🥺🥺👉🏻👉🏻VELO 1/4 #gasyrakoto

HAVOTAFO du 06 Novembre 2022 by KOLO TV/FM

