Fihirana Katolika - Ry Fanahy Masina avia midina

Fiv Ry Fanahy Masina, avy e midìna ; avia midìna 1 - Ô ry Rain'ny ory, avia Mpizarazara soa, avia Ry mpanolo-tsaina, avia midìna. 2 - Ry Mpanambitamby, avia Ô ry soa indrindra, avia Ry Mpamelombelona, avia midìna. 3 - Mpanafaka alahelo, avia Ô ry Fahazavana, avia Ô ry Mpanamasina, avia midìna. 4 - Ô ry Mpanadio, avia Ô ry Mpankahery, avia Fanomezan-tsoa, avia midìna.