TSARA LOVA RY JESO (Tefy, Fafah,Naivo na Charles)

Hira feno fanantenana. Ny feo dia feonay fahiny mbola tena tanatin'ny hery sy tanjaka, isaorana Andriamanitra nanome izany ary mbola ampifaliana foana ankehitriny ny midera Azy na dia tsy mahatazona elabe toy ny fahiny aza rehefa mihira. Ny sary kosa dia sary namboarina avy tamin'ny modely sary tena izy fa novelomina tamin'ny 3D ary nampiasana ny IA izay fitaovana toy ny fitaovana rehetra ihany. Mety tsy tonga lafatra saingy atolotra am-pitiavana foana tompoko. Vao namoy ray amandreny tianay be izahay ary fahatsiarovana manokana ho azy ity hira ity, Mbola hihaona iisika dada ary ampifaliana be, zay ilay fanantenana