Video 40: FIFOHAZANA SY NY FIANGONANA
Fitaizana ny olona rehetra sy ny olona manontolo, fa tsy natokana ho an'izay mitady fampaherezana ara-panahy sy fanasitranana ara-batana sy ara-tsaina fotsiny ihany ny Fifohazana. Natao hifandraisana tsy tapaka amin’i Jesosy na any am-piangonana, na isan-tokantrano, na any amin'ny Toby na aiza na aiza ireo fotoan'ny asa sy fampaherezana. Noho izany, na dia nanorina ny Fiangonana Tobilehibe Ankaramalaza aza i Mama Nenilava sy ireo zanaky ny Fifohazana tamin’izany, dia tsy voafetran’ny rafitry ny Fiangonana ary tsy natokana ho an'ny Kristiana Mpiangona Malagasy ihany ny Fifohazana. Samy manana ny tantarany, ny fomba fiasany, ny toerana sy ny fotoana niantsoan’Andriamanitra azy avy ireo tobim-pifohazana tsirairay. Ny iombonan’izy rehetra dia ny firaisany amin’i Jesosy. Iray tamin’ireo roa vavy, Raiamandrenin’ny Fifohazana Malagasy efatra, i Volahavana Germaine, izay fantatry ny maro amin’ny anarana hoe "Mama Nenilava". Isany nifandray mivantana taminy, tamin’ny fahavelony, i Emma Mazava, vahiny N°10 eto amin'ny pejy "Zava-manahiran'ny VEHIVAVY". Ambarany fa tena "Reny ara-panahy be fitiavana" nefa tena olombelona nanana fihetseham-po sy faniriana, tahaka ny vehivavy rehetra ihany koa i Mama Nenilava. Betsaka ireo teny sy fihetsika nataony, izay mety nanafintohina ny hafa, nefa tsy voatery nohazavainy avokoa ny antony sy ny heviny. Isany tantarain’i Emma Claire amin’ity fizarana ity ny nanokanana azy ho Mpiandry tamin’ny fotoana izay nantenain’i maro hanokanana an’i Mama Nenilava ho Mpisoronabe. Kay asam-piraisana nanorenana ny trano Fiangonana tany amin’ny Tobilehibe Ankaramalaza, nifanaraka tamin’ny fanirian’i Mama Nenilava, natao mitovy endrika amin’ny trano fiangonana iray any Norvezy, no natao tany Ankaramalaza tamin'izay. Harahitsika amin’ny video manaraka ny fahitan’i Emma Claire izany "Fanokanana an’i Mama Nenilava ho Mpisoronabe izany" amin’ny maha sady isan’ireo nanatrimaso no Pastora Teolojiana "Doctorate in Ministry" azy.

Fampaherezana hoan'izay mandalo ady sarotra ( Pasteur Razafiarison Emilien : Salamo 109 : 21 - 31 )

ISMAËL MWANAFUNZI: BYABAYE MU RWANDA, MALAWI NA VENEZUELA | IHEREZO RYA FAYE NA SONKO RITEYE UBWOBA

États généraux du droit d'auteur - KELHIE BOGASY (Madagascar)

Real Life in Madagascar: Walking the Chaotic Streets of Antananarivo

Hafa ihany Fif

Does experience Matter in this business?

Why Aliens Would NEVER Invade Africa

Video 334: TABITA DORKASY - Fampianarana Soratra Masina N°23 momba ireo vehivavy ao amin’ny Baiboly

Scientists Reveal Shocking Genetic Origin of Dutch DNA

Mga Dating Sundalo, Nagsalita na! Umano'y Mga Cash Delivery, Isiniwalat sa Pagdinig ng Senado

Tantaran'ny Fanehoam-panokanana an'i Mama Volahavana Germaine Nenilava │Dadatoa Bruno Rabarihoela

Ny Fanehoam-panokanana sy ny Fifohazana | D. Bruno Rabarihoela

The CUBA They Don't Want You To See 🇨🇺 Havana

Why The Russian Accent Terrifies Everyone

Fifohazana Soatanàna Dada Rainisoalambo

Video 333: Fifaninanana N°16 hahazoana Ar 50 000

ANYARE?MAY MASAMANG NANGYARE KAY MARTIN ROMUALDEZ?!

NIBQGĦU NKEJLU S-SUĊĊESS BIN-NUMRI | Marisa Xuereb

Kushner-linked resort plan sparks protests in Albania | DW News

