Toriteny- Alahady 10 Aprily 2022- Alahadin'ny Sampandrofia sy Sampana DORKASY

"Mandresy ny fahafatesana ny Tompo" Nitondra ny hafatra: HAINGOMAMPIANINA Volanasoa- Mpitandrina- Filohan'ny DORKASY SPIA19 Andinin-tSoratra Masina nangalana ny hafatra: Jaona 12 : 12 - 19 Ny niakaran'i Jesoa tany Jerosalema. Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesoa, dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Salamo 118:26). Ary Jesoa nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zakaria 9:9). Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesoa, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany. Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny fasana ka nanangana azy tamin'ny maty. Ary izany koa no nitsenan'ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy. Ary tamin'izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.