Tsara Ianao - The Singers of Jesus

Tsara Ianao Tonga eto aho mba hilaza fa tsara Ny midera Anao fa mendrika Ianao Mamiko sady toa mahatamàna Ny mikorana, mihira ho Anao Tsy ho ampy ireo teninay hanambara Ilay hakantonao, fahalebiazanao Indreto izahay tia Anao Ray malala o Manandra-peo Raiso Tompo o izany fideranay Midera Anao, mihoby Anao eto aho Handihy ho Anao, hihika sy hiantso aho Mifaly ho Anao amin'ny foko rehetra Amin'ny saiko rehetra Amin'ny fiainako rehetra Ho Anao, anio mandrakizay Sambatra aho noho ny amin'ny famindram-ponao Sambatra aho noho ny amin'ny famonjenao Sambatra aho noho ny amin'ny fitahianao Sambatra aho noho ny amin'ny fahasoavanao