Ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany (7)17_06_2017 : Ampitomboy ny talenta

Fampitomboana talenta no nentin'i Jesosy nanoharana ny Fanjakan' Andriamanitra. Manana talenta avokoa ny zanaky ny fanjakana.Tsy natao hipetrapetra-potsiny sy hionokonona amin'ny antonony fa nomena saina, hery, fotoana, fitaovana ary indrindra ny Fanahy Masina mba ampitomboana izany talenta izany. Ny fanjakan'ny lanitra dia fanjakan'ny ny fampitomboana : nitombo ny menak'ilay vehivavy mpanano tena (2 Mpan 4:1-7) rehefa notorohan'i Elisa hevitra izy, nitombo koa ny mofo (2 Mpan 4:42-44), nitombo ny mofo 5 sy hazandrano 2 , mofo 7 sy hazandrano 2.....Mampitombo ao amin'ny fanjakana ve isika? mahafoy ve isika ? hatraiza izay fahafoizana izay? Aoka samy hihetsika fa ho avy ny fitsarana ny amin'ny nampiasana ny talenta