Fanahy masina - Rija Rasolondraibe (tononkira)

Efesiana 5/18 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy Masina. Joela 2/28-29 Ary izao no hiseho rehefa afaka izany, handatsaka ny Fanahiko amin' ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ny zatovonareo hahita fahitana. Ary ny mpanompolahy sy mpanompovavy koa dia handatsahako ny Fanahiko amin' izany andro izany.