Tsy mba misy tsy ho diso. Sixtine Hanta sy Georges.

Tsy mba misy tsy ho diso Kaloin'i Sixtine Hanta sy Georges Mpamorona : Justin Rajoro Tononkira : Tsy mba misy tsy ho diso Fa izay mikiry no adala Ny fitia no hamafiso Tano mafy tsy hiala Aoka re tsy ho kirina Raha toa anarin’olon-tiana Mibaboha lalandava Mba ho miramiran-tava Raha miteny Ndrematoa Aoka hihaino Ramatoa Raha mananatra Rafotsy Aza dia mamotsifotsy (Miverina in-droa) Justin RAJORO