Samoela - Fitia Zisitoara

FITIA ZISITOARA Isan’andininy : Fa fitiavako anao niny eh! Zisitoara hoy aho zisitoara Na mafaitra sy mangidy Tsara fatotra tsara hidy Fa efa zakanao any! Lasanao zao ny be dia be Ny fitiavako rehetra Ny entana sy ny etsetra Tamin’ny andro voalohany nahalalako anao Tsy nampoiziko ho toy ‘zao Hoe: Mba matotra tsara Fa tsy resaka eny amparafara Tamin’ny andro voalohany nahalalako an-dry Tsy nampoiziko ho tahaka ‘ty Ianao ‘lay nikôzy hoe: “J’ai envie” Kay! Mba nisy fitia Fa taloha zaho ni-"roule" Ni-"tourne" sahala amin’ny "boule" Fa sezao aho manaja anao Satria efa tsapako ‘zao Kanefa na iha na zovy No hikôzy aminao hoe: Nahakobo ahy tary sy tatsy Aza mino an’izany Fa ny anao misongadina hatrany Fitiavako anao niny eh! Zisitoara ! Fo sy fanahinao taratara Ny entana eny aminao tsaratsara Maty aminao zaho! Fomba fitsikinao Manakara Fomba fijerinao Mandritsara Fomba fitafinao Vohitsara Maty aminao zaho! Fomba fandihinao Toliara Vazo firevinao Saidomara Tany fiavianao Gasikara Maty aminao zaho! Fanamasinana azy ny alitara Fa firevena azy farafara Ny lambam-pandriana atao maramara Maty aminao zaho! Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA Raki-peo : BANDY AKAMA ( DO SOL 2004 )