Aloky ny elatrao

Mizara Teny Soa (Fiderana): Fifaliana ho anay ny manolotra anao ity Hira ity izay mitondra ny lohateny hoe Eo amin'ny Aloky ny elatrao. Aparitaka maimaimpoana izany mba hiaraha-midera sy manome voninahitra an'I Jesosy. Tsotra tena tsotra indrindra ny nanaovana azy saingy inoanay fa hitondra HERY ho an'ny fanahinao raha miara-midera amin'ny fo isika. Fotoana izao handraisantsika famelan-keloka avy amin'ny Tompo ary koa fiarovana avy aminy. Raha misy ny "CRITIQUE" ho fanatsarana sns, dia raisinay ao amin'ny MP facebook: Andry Hasina RAZAFIMAHERY. Hitahy anao anie JESOSY.