Kalon'ny fahiny - Haody ry Analamangako ✨ #skyll7

Kalon'ny fahiny - Haody ry Analamangako ✨ #skyll7 #songwriting #remastering Tononkira : Haody ry Analamangako Ry Iarivoko, ry Imerina Ndreto zahay sy ny lokangako Fa samy mbola tafaverina Ny lokanga namborahiko Ny toloko sy fisaonana No mbola raisiko angatahiko Iarahabana ity fihaonana Fantatrao izay nifandaozana Sanatria tsy fifandirana Fa nitady fanavaozana No niniako nandosirana Taminao no nitarainako Ny toloko sy ny ngidiny Resy tosika ny fiainako Ka nandao anao tsy fidiny Haody, haody re hidirako Ry akany niantombohana Raisonao (3) ny tononkirako Mba ho solom-panorohana