Fambolena manga

FOMBA FAMBOLENA MIATRIKA NY FIOVAOVAN'NY TOETRANDRO NY FAMBOLENA HAZO FIHINAMBO TOY NY MANGA. Ao anatin'ny fiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro dia misy ireo fahaizamanao izay zarain'ny tetik'asa FM3A. Fitarihan-dresaka ihany izy ity fa afaka miantso ny laharana na mandefa mailaka hita amin'ny faran'ny oronantsary isika raha maniry ny handalina bebe kokoa. Ity horonatsara fohy ity dia mampiseho ny tombotsoan'ny kaky sy fomba tsotra fambolena ny hazo mamokatra manga. Mamporisika indrindra ny fambolena voankazo toy ny manga ny FM3A satria fomba mahomby fiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro ny voankazo: 1) mampitombo ny vokatra ara-tsakafo misy karazana otrikaina ho an'ny olombelona izany kanefa tsy mila ezaka lavareny miverimberina 2) manampy eo amin'ny fanajarina maharitra ny toerana fambolena sy fonenana izany 3) manampy eo @ fampihenana ny entona karbona eny amin'ny rivotra, izay fantatra fa mampiakatra ny hafanan'ny tany ny fambolena hazo fihinambo