FAHATSIAROVANA - 11 Juillet 2026 - Full video

FAHATSIAROVANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA AN’ANDRIAMANITRA Ho fahatsiarovana an’i * ANDRIAMITANTSOA Elian R.S.* 11 Jolay 1962 – 11 Mey 2026 Anio, 11 Jolay 2026, izay tsingerintaona nahaterahany, dia zarainay am-pitiavana ity vidéo fahatsiarovana ity, nalaina nandritra ny fotoam-pivavahana fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy fampaherezana ny fianakaviana. Fisaorana an’Andriamanitra noho ny nanomezany anay an’i Elian sy ny fiainana feno finoana, fitiavana ary fanompoana izay navelany ho lova. Na dia tsy eo anivontsika intsony aza izy, dia velona ao am-po mandrakariva ny fahatsiarovana azy, ireo asa fanompoany sy ny fanantenana ny fihaonana indray ao amin’i Kristy. “Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo…” (Apokalypsy 14:13)