R. Mialy - Tsy rehefa mitomany ihany (Official Music Video)

DISPONIBLE SUR TOUTES LES PLATEFORMES (Spotify, Itunes, etc) : https://ditto.fm/tsy-rehefa-mitomany-... ▂▃▅▇█ RÉSEAUX █▇▅▃▂ Facebook :   / ​   Instagram:   / ​   Twitter :   / r_mialy   Site officiel : https://www.rmialy.com​ Paroles : Mangirangiran-dratsy indray ny andronao Dia izay vao mba mahalala miantso ny Tomponao Mpanadinodino foana Rehefa sendrasendra manoloana ny ady sarotra vao mahalala Azy Tsaroanao daholo ve ny fifalianao Dia impiry tamin'ireny no mba nizara ianao Fantatro hoe fantany Fa tsisy avy aminao ireny fa fanomezana avy Aminy Dia eo ianao mifona, manokatra ny fonao Fa tiako ianaranao androany Hoe tsy rehefa mitomany ihany Matetika adinodino ny hatsarany Raha tsy hoe takona Ilay Ilo, Ilay Hazavana Mpanadinodino foana Rehefa sendrasendra manoloana ny ady sarotra vao mahalala Azy Dia eo ianao mifona, dia eo mitalaho Fa tiako ianaranao androany Hoe tsy rehefa mitomany ihany Tsy rehefa mitomany ihany vao eo ianao miantsoantso Azy Mendrika saotra foana Izy any Na ny fahavelomanao fotsiny aza Tsy rehefa mitomany ihany vao eo ianao miantsoantso Azy Mendrika saotra foana Izy any Na ny fahavelomanao fotsiny aza Dia eo ianao mifona, eo ianao mitalaho Fa tiako ianaranao androany Hoe tsy rehefa mitomany ihany