Andrian Sth feat Lalie : Feo roa (VIDEO Live 2023)

Ho inontsika moa ny andro izay mandalo Raha ny rivotra mifafy no tsy hitondra kalo Hanambatra ny nofy ho tonga hasambarana HO ankafizin-tsika ka tsy hisy fitsaharana Ho inontsika moa ny ampitso raha mivazo Raha ho maina dieny izao ireto voninkazo Izay notiavintsika ka lasa namololona Tsara kolokolo ka tsiriritin'ny olona Fa ianao no amiko, izaho no aminao Isika no miaraka, mozika tsotr'izao Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka Na tsiky na tomany no miraraka ... Ho inontsika moa ny andon'ny maraina Raha mitampify hatrany ny kalo izay hiraina