Nanie "Hiraina"

Hiraina (Fanja Andriamanantena) Rotsirotsy tambitamby Fifaliana manan’amby No hiraina hatrany hatrany Hiraina hatrany hatrany Hiraina hatrany am-parany any Fa manomboka eto izao Izay tontolo misy anao No hiraina hatrany hatrany Hiraina hatrany hatrany Hiraina hatrany am-parany any Hir’aina Isan’andro izao Hiraina ny anaranao Ahatsiarovako fa mamy Ny mitia anao hatrany Safasafon’olon-tiana Teny kely faniriana No miposaka maraina Miposaka maraina Ka kaloina sy hiraina Raha madiva ny hariva Dia indro fa manivatsiva Ka mamelona ny aina Mamelona ny aina Ka kaloina sy hiraina.