NOHO IREO SOMBINAINA ROMULE 1968 MBOLA RABARIVOLA vidéo live
Feonkira : Daniel Guichard ("Je viens pas te parler d'amour") Tononkira: Rabarivola Romule Sary : FB Top Radio (18/11/2022)-- Fandaharana "Kalo Miampita" miaraka amin'i Mbola Rabarivola,zanak'i Romule faharoa (Natolotr'i Rado Manalina sy Mbola Talenta) ============ Tsy handrebireby anao Raha nivily ka namangy Amin’ny andro harivariva Manontany vaovao Sanatria tsy hisangisangy Na tonga koa hanivaiva Tsy hamboraka fitia Na hitantara koa ny amiko Fa mitandro fihavanana Isika moa nisara-dia Nefa maminao sy mamiko ’Reo zaza iaraha-mànana Efa ho herintaona mantsy No nisarahan-tsika toerana Noho ny antony efa fantatra Isika akory tsy olon-dratsy Na tsy nisy fiheverana Fa ny lahatra ankamantatra Fa nandalo dia nahita Ny efitranonao nivoha Mbola misy hazavana Ela tsy nifankahita Sanatria tsy hilanja loha Fa mitondra fiarahabana Ny momba ireo zanantsika ’Zay mipetraka aminao Moa ve, moa ve salama tsara ? Satria moa ny amintsika Dia efa fantatro sy ianao Fa nivalona ho tantara Henoko fa toa hoe Manahirana indraindray Amin’ny hantahantakeliny Nefa atao ahoana re ! Fa mahaiza manafay Hahazoany ny tanteliny Fantatro fa tianao loatra Izy telo mianadahy Ka tsy sahinao tenenina Amin’ny ditra tafahoatra Nefa mba lazao ahy Sao mba misy ny ala-nenina ’Lay sekoly vaovao ’Zay vao namindranao azy Moa ve mba arany ihany ? Satria mantsy fantatrao Io tsy atao vazivazy Fa antoky ny hiafarany Raha ny fiainanao indray Aza tantarainao ahy F’efa hita izao fa tsara Ny ahy koa dia tahak’izay Tsy dia misy mampanahy Fa dia mizotra soa aman-tsara ’Lay mpampianatra ny ankizy Efa notiavinao Dia efa fantatro ny aminy Tia anao tanteraka izy Ka aza ataonao kilalao Ny fanasoavanao ny akaniny Tsy ho lava resaka aho Fa izay no anton-dia Ny andro koa, ny andro ity mandroso ho alina Raha misy aizina mitraho Mahaiza re mifankatia Ary aoka hisaina lalina Tsy nandrebireby anao Raha nivily ka namangy Fa nadio ny fo sy saina Nanontany vaovao Ary tsy tafandry mandry "NOHO IREO SOMBINAINA"

Fandaharana (ROMULE) by NJAKATIANA

KIDAOMBARAMITA - Elsie - Mbola Talenta - Fanilo Poppin's - Antsaly

EJEMA : Les meilleures musiques de EJEMA (Partie 1)

REHEFA TIA (Ny Nanahary) - LES TALENTA

Eric Manana - Voninkazo adaladala

JOHARY mihira KINTANA TELO- LH PRO 2024

Ny Railovy - Vonoy Ny Anarako (live au Carlton et CCESCA)

HAVAN-DOZA(Aceem Radio) #gasyrakoto
![Tsy Misy Ny Doria [Dadah sy Fafah-Tononkira]](https://i.ytimg.com/vi/jnP6pMe71Zo/hqdefault.jpg?sqp=-oaymwE9CNACELwBSFryq4qpAy8IARUAAAAAGAElAADIQj0AgKJDeAHwAQH4Af4JgALQBYoCDAgAEAEYXSBdKF0wDw==&rs=AOn4CLB55a_SIJ3XeOvV4cd3Y_P4sXx_Qg)
Tsy Misy Ny Doria [Dadah sy Fafah-Tononkira]

SAMOELA & MANOU - MALALA (Live ZARA-REVY - Stade Malacam 2025)

T-Kalo Cover Medley Mahaleo

Iraimbilanja-Tsindrimandry(Miritsoka Prod 2020)

Fandaharana- Romule. par: Cludegeorges

tambatra kalon'ny fahiny hasambarana

Satria - Bodo feat Njakatiana (Efa fantatrao angamba)

ZOPANAGE - Namana

Ho an'i Gabhy ... Medley 1 - Tarika Gabhy - Tanora mpankafy - Faniry - Honorat

naleoko ihany olombelo ricky sy liva andrianavalona

Mix de chansons malgaches des années 70 - Radio Madagascar part.1

