FFPM 548 – He, Jehovah no Mpiandry ahy

"He, Jehovah no Mpiandry ahy" - Hira FFPM 548 Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana FFPM 548 – He, Jehovah no Mpiandry ahy 1. He, Jehovah no Mpiandry ahy, Tsy mba misy atahorako; Raha izy no mitondra ahy Ahi-maitso no handriako. Eny, fa ny tany karankaina, Dia hody saha lonaka, :,: Ary ao amoron-dranon’aina Hialan’ny foko sasatra :,: 2. He, Jehovah no Mpitarika ahy Amin-dalam-pahamarinana, Koa tsy ho kivy ny fanahy Amin’ny alo-pahafatesana Hianao, ry Tokiko irery, No hiara-dia amiko. :,: Ka ny tsorakazonao mahery No hanafaka ny tahotro :,: 3. Amelaranao latabatra aho Eo imasom-pahavaloko; Namboaranao kapoaka aho, Ka mahery sady afa-po; Eny, indrafo tsy hita lany No hiaraka amiko izao :,: Mandra-pahatongako ho any Hanatrehako ny tavanao :,: Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar