Barijaona, Ramaroson Wilson - Tolona Sasak'Alina

TOLONA SASAK'ALINA Tambitambinao no lamba isalorako Tanjona hifaharako raha toa ka sitrakao Sedra tsy mahery no solon-tsafosafo Feo milantolanto ho anao Ny bitsikao ry alina Mamohafoha lalina Mitolona mafy ka atsaharo Raha azo atao Tinafiko, mahangoly Ny lasa mamolivoly Izany rehetra izany Noho ianao.