PRO LIGUE

Tontosa ny Zoma tolakandro teo ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin'ny Federasiona Malagasy taranja baolina kitra sy ny CFEM na ny Association des Clubs Elites de Madagascar, hametrahana ny rafitra "Pro League" ho an'ny fiadiana ny tompondaka nasionaly sokajy D1 Nasionaly.