Barijaona - Rano An'Ala

RANO AN'ALA O ! Rano a ! (3 fois) Rano an’ala madio mangamanga, Rano an’ala fisotron’akanga, Rano an’ala mitondra hafaliana, O ! Rano a ! Foko miontana sendra ny tiana. O ! Rano a ! (3 fois) Rano an’ala ka mangalahala, Rano an’ala tsy misy tsingala, Rano an’ala fanala alahelo, O ! Rano a ! Vetson'ny foko izay mamelovelo O ! Rano a ! (3 fois) Rano an’ala ny fifanenana, Rano an’ala ny fanantenana, Rano an’ala ka miraondraona, O ! Rano a ! Lavitra anao re ny foko misaona O ! rano a ! (3 fois) Rano an’ala iaraha-migoka, Rano an’ala tsy tia lokaloka, Rano an’ala alofan’ampanga, O ! Rano a ! Izaho efa dodona, ianao tsy mitranga.