Mamy Ravatomanga Fantaro iza marina izy 06.02.2013

Radio Viva. Fandaharana « Aoka Hazava ! », tamin'ny 6 Febroary 2013. Manazava amin'ny teny malagasy ny Filoha-Tale Jeneralin'ny vondrona SODIAT, Maminiaina Ravatomanga, fa tsy mpanao politika izy fa mipetraka eo amin'ny toerany maha mpandraharaha azy ary vonona foana izy hanampy eo amin'ny lafin'ny hai-tao sy hai-raha, ireo mpitondra teo aloha, ankehitriny sy ny ho avy raha ilaina izany. Tsy manana anjara toerana ao anatin'ity fitondrana Tetezamita ity izy. Ary ny Filoha Andry Rajoelina dia raisiny ho mandraharaha toa azy ka raisiny adidy ny manoro hevitra azy. hevitra tsy voatery harahin'ny Filohan'ny Tetezamita akory.